FARTITRA ANALAMANGA | TAN-TSOROKA HO FIAROVANA NY ANKIZY SY NY ZONY
FARTITRA ANALAMANGA | TAN-TSOROKA HO FIAROVANA NY ANKIZY SY NY ZONY
Notanterahina ny 21 Desambra 2021 ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny « Fonds de Protection de l’Enfant » eto amin’ny Faritra Analamanga. Izany dia tafiditra ao anatin’ny ezaka ho fisorohana sy ho fandraisana an-tànana ireo ankizy niharan’ny herisetra.
Izany no tanteraka dia noho ny fiaraha-mientan’ ny Sampandraharaham-paritra miadidy ny Mponina eto Analamanga, ny Governoran’ny Faritra Analamanga ary ny UNICEF.
Ny Faritra Analamanga no hamatsy voalohany an’izany « Fonds de protection de l’Enfant » izany.
Nararaotina nandritra ny hetsika ny fanentanana ireo mpiantsehatra hafa mba hifanampy amin’ny famatsiana ny ezaka:
« Andraikitro, andraikitrao, andraikitsika rehetra ny miaro ny ankizy sy ny zony ».