Fetin’ireo mpiara-miasa ao amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy
Vary 20 kilao sy menaka 1 litatra ary akoho iray isan’olona no natolotr’i Ramatoa Ministra Michelle Bavy Angelica ho an’ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny birao Ambohijatovo. Natao izany ho fiaraha-mifaly amin’izy ireo sy ho fankasitrahana ny ezaka vita ny taona 2020.