FIAHIANA ARA-TSOSIALY HO AN’NY SEHATRA TSY MANARA-DRAFITRA TATITRA MAHAKASIKA NY VOKATRY NY FITSIDIHANA NATAON’IREO IRAKA AVY ANY CÔTE D’IVOIRE
07.04.2023
Ho fampisitrahana fiahiana ara-tsosialy maharitra ho an’ny mponina ao aminy dia nanapa-kevitra ny firenena ivorianina ny nampitombo ny tahan’ny olona an’asa ao aminy. Rehefa miasa ny olona iray dia afaka mandray anjara feno amin’ny fandoavana latsakemboka ka azohany misitraka fiahiana ara-tsosialy mifanaraka amin’izany mandritry ny fotoana ilaivany an’izany. Vokany dia afaka miatrika ny voina isan-karazany, afaka misitraka fitsaboana amin’ny fotoana rehetra, afaka mampiana-janaka… ny mponina ao aminy. Noho izany dia mandroso be ny sehatry ny fiahiana ara-tsosialy ao aminy noho ny fandraisan’ny mponina anjara feno amin’ny latsakemboka.
Raha ny eto Madagasikara dia tokatrano marefo miisa 1 329 000 no efa nisitraka ny fiahiana ara-tsosialy tsy arahina latsakemboka amin’ny alalan’ny tetikasa Haraton’aina. Anisany vina apetraky ny Minisiteran’ny Mponina ny ahatonga ireo tokatrano marefo ireo hahaleo tena tanteraka sy handoa latsakemboka rehefa tafavoaka amin’izay faharefona ara-toekarana izany ka hahafahany manohy ny fisitrahany fiahiana ara-tsosialy maharitra manoloana ny tranga rehetra ilana izany : aretina, fampianaran-janaka, fisotroan-dronona, voina…
Naharitra 5 andro ny fifanakalozana traikefa teo amin’ny delegasiona avy any Côte d’Ivoire sy ireo mpisehatra amin’ny Fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara.
Tanjona ny afahan’ny Madagasikara mandray lesona entina manatsara hatrany ny paikady nasionaly ho an’ny fiahiana ara-tsosialy izay ho avaozina amin’ity taona 2023 ity.
Niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana izany ny Minisiteran’ny Mponina, ny Minisiteran’ny Asa sy ny Minisiteran’ny Fahasalamana ary ny Organisation Internationale du Travail.