FIAHIANA IREO TRABOINA TAO AMBATO BOENY
11.02.2023
FIAHIANA IREO TRABOINA TAO AMBATO BOENY
« Ao anatin’ny sarotra no hahafantarana ny tena namana »
Fihetsika feno hafaliana velom-panantenana no nandraisan’ireo mponina tao amin’ny Distrikan’Ambato Boeny ny Filohampirenena Andry RAJOELINA.
Namela takaitra tao an-toerana ny fandalovan’ny rivo-doza chineso lasa teo : potika ny tanàna, tototra ny tanimbary sy tanimboly, maro ireo rava trano sy simba fananana.
Tonga nijery ifotony sy nitondra fanampiana ireo tokantrano traboina ny Filoham-pirenena nandritra ny diany tao an-toerana.
Notolorany masomboly ireo tantsaha izay dibo-drano ny tanimbariny. Nomeny fanampiana manokana ihany koa ireo fikambanam-behivavy, ireo zokiolona ary ireo vehivavy bevohoka izay hiandraiketan’ny Minisiteran’ny Mponina tarihin’ny Minisitra SOAFILIRA Princia ka nahitana bodifotsy, vilany, seau, koveta sy fitaovana isan-karazany.
Ireo Ben’ny tanàna dia nahazo moto hahafahany miasa manakaiky vahoaka.
Tombony ho an’ireo mponina ny fisian’ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana ao an-toerana.