FIAHIANA IREO TSY MANAN-KIALOFANA.
FIAHIANA IREO TSY MANAN-KIALOFANA.
Nijery manokana ireo fianakaviana napetraka vonjimaika eny Anosizato ny Minisiteran’ny Mponina.
« Tsy mifidy volon-koditra, tsy mifidy toerana aleha ny fitondram-panjakana mikaroka fanampiana sy manatanteraka asa sosialy ho an’ny vahoaka » hoy Ramatoa Angelica Michelle, Minisitry ny Mponina ny sabotsy 12 septambra 2020 raha tonga teto amin’ny Akany Iarivo Mivoy nanolotra fanampiana ho an’ireo fianakaviana tsy manan-kialofana ka napetraka vonjimaika eto noho ny hamehana ara-pahasalamana vokatry ny valan’aretina coronavirus.
Vary 6525 kilao, voamaina 950 kilao ary menaka 620 litatra avy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny PAM no natolotra ireto fianakaviana 80 (204 olona) ireto.
Ny fandrindrana eto amin’ny Akany Iarivo Mivoy Anosizato dia taratry ny fiaraha-miasa matotra eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Minisiteran’ny Mponina.
» Fitia mifamaly mahatsara fihavanana ».