FIAHIANA NY ANKIZY, TETIK’ASA ZARAMIRA CR TATAHO
Nisy ny Fitsidihana ifotony nataon’ireo mpisehatra sosialy omaly 15/11/23, nisolo-tena ny Fitaleavam-paritrin’ny Mponina,tany amin’ireo Fokontany ao amin’ny CR TATAHO nanao fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra sy ny tokony hatao ary fihainoana tamin’ireo Mponina tany an-toerana.
Marihina moa fa tetik’asam-panjakana hiahiana ireo ankizy latsakin’ny 15 taona sy ireo manana fahasembanana ny tetik’asa ZARAMIRA vatsian’ny UNICEF vola.
Isaorana mandrakariva Rtoa Minisitrin’ny Mponina SOAFILIRA Princia nohon’ny fijerena akaiky azy ireo.