FIAHIANA NY MPONINA FAMPIZAKAN-TENA IREO TANORA
Tontosa anio ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny andro maneran-tany hoan’ireo Tanora hoan’ny Faritra 3, Fitovinany , Atsimo Atsinanana, Vatovavy,notanterahina teto Manakara,nanatrika izany ny Fitaleavam-paritrin’ny Mponina Fitovinany.
✓Nisy ny fanolorana ireo fitaovam-pambolena, Masinina fanjairana, baolina…
– Nisy ny fitetezana ireo trano heva miisa 26 nampiratiana ny vokatra vitan’ireo tanora, izay notohanan’ny mpiara-miombonantoka ADRA FIOVANA, nahitana ireo vokatra maro toy ny savony izay zava-bitan’izy ireo.
– Nisy ny fanararaotana resadresana natao tamin’ireo fikambanan’ny Tanora, ny hisian’ny fifandraisan’izy ireo akaiky amin’ny Fitaleavam-paritrin’ny Mponina ,mba hazahoana manohana azy ireo hatrany.
Ny zava-dehibe ihany koa dia ny fandraisana anjara ataon’ny DRJS sy ny ADRA FIOVANA mijery ireo Tanora manana fahasembanana sy ny fiaraha-mientana eo amin’ny fiahiana ny Mponina.
« Manana Zo hiaina, ho afaka, hahazo fiarovana ny olona tsirairay. »
Ny tanjona dia ny hampaleo-tena ara -pivelomana ireo Tanora sy tsy hironany any amin’ny fidorohana zava-mahadomelina.