FIAHIANA NY MPONINA FIZARANA TOHANA NIARAHANA TAMIN’NY CPGU .
Tontosa nanomboka omaly 23/10/25 ny fanotronana ny fizarana ireo tohana avy amin’ny fitondram-panjakana ny ao anivon’ny Primatiora tarihin’Atoa Praiminisitra Ntsay Christian, vatsian’ny Banky Afrikana hoan’ny fampandrosoana vola (BAD), ka ny PAM no mpamatsy ny sakafo 43 taonina,vary, menaka,ka ny ONG ADRA no manatanteraka ny fizarana,tao amin’ny Kaominina Vohimasina nord sy Vohimasina Sud, ka notanterahina teo Vohimasina nord avokoa nohon’ny tsy fahafahany mpiara-miombonantoka mitsaka rano.
Nisolo-tena ny Minisitrin’ny Mponina SOAFILIRA Princia ny Talem-paritrin’ny Mponina Fitovinany, ary nisolo-tena ny fitondram-panjakana ifotony ihany koa, nisy fanentanana mahakasika ny tsy tokony hanilihana ireo manana fahasembanana.
Ny fanentanana mahakasika ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny maha Lahy na mahavavy.
Izao dia mbola tohin’ny tohana vokatrin’ny Batsirai ihany, nohon’ny tatitra nampiakarin’ireo Ben’ny Tanana sy ireo Sefo Fokontany.
Mankasitraka izao ezaka ataon’ny fitondram-panjakana izao ireo Mponina any an-toerana.