FIAHIANA NY OLONA TRA-PAHASEMBANANA
FIAHIANA NY OLONA TRA-PAHASEMBANANA
Natomboka tao amin’ny espace dera Tsiadana ny atrik’asa fanofanana mpampiofana ho fametrahana rafitra itiliana ireo mpiara-belona manana fahasembanana, dingana fiahiana sosialy entina ho fampitovian-jo sy vintana azy ireo eo amin’ny fiaraha-monina. Asa mifanojo amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fiahiana ny fiainan’ny mponina tsy ankanavaka ary voafaritra ao amin’ny Paik’ady Nasionaly ny Fiahiana Sosialy.