FIAHIANA SOSIALY – HARATON’AINA DISTRICT MANANDRIANA , COMMUNE RURALE AMBOVOMBE CENTRE
Androany no nanomezana ny tambikaraman’ireo mpisitraka izay miisa 7000 tokatrano ato amin’ny District Manandriana . Niara- dalana tamin’izany koa ny fanomezana vola tosika Fihariana ka vola 140.000 ar isantokatrano hanaovana fihariana andiany voalohany no natolotra ho entin’ireo mpisitraka manao Tetik’asa madinika ary rehefa mandeha tsara ny tombana dia mbola mahazo tohana andiany faharoa . Tanjona ny hahatonga ireo mpisitraka hahazaka tena tanteraka na hifarana aza ny Tetik’asa.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ireo Ministra mpiahy ny Faritra Amoron’IMania dia ny Ministry ny harena ankimbon’ny tany sy ny loharanonkarena stratezika , Ny Ministry ny Angovo sy ankoran’Afo ,ny Governora ny Faritra Amoron’IMania ,ny solombavambahoaka , ary ireo olom-boafidy sy olom-panjana sivily sy miaramila
Marihina fa misitraka fandraisana ny Tambikarama avokoa ireo 22.000 tokatrano ato amin’ny District 3 Faritra Amoron’i Mania.
Ny Asa Avotra Mirindra sy Vatsinankohonana dia Tetik’asa ny Fitondram-panjakana, ny Ministeran’ny Mponina no mandrindra izany, ny FID ny mpanatanteraka ifotony ary ny Banky Iraisampirenena no mpamatsy vola
Nisy ihany koa ny Fitsidihana ireo fotodrafitrasa vaovao vao vita toy ny Biraon’ny Mponina, ny Hopitaly Manara-penitra , ny Pavé.
Teo ihany koa ny fizarana Titre Tany sy kara-tany Faobe tao amin’ny Kaominina Ambatomarina
Miahy hatrany ny Maha Olona
