FIAHIANA SOSIALY : HARATON’AINA/VATSINANKOHONANA DISTRIKA AMBOSITRA
Vita soa amantsara ny fandoavana vola Vatsin’Ankohonana andiany faha 9 ho an’ireo mpisitraka 9500 tokatrano ao anatin’ny Kaominina 11 ato amin’ny Distrika Ambositra
Nidina hifotony nanantanteraka izany ny ekipan’ny Ministeran’ny Mponina tarihin’ny Talem-paritra sy ny Teknisianina avy ao amin’ny FID ,tao amin’ny Kaominina ILAKA CENTRE, IMERINA IMADY, MAROSOA, KIANJANDRAKEFINA, ALAKAMISY AMBOHIJATO
Nanaramaso izany ihany koa Ramatoa Governoran’ny Faritra Amoron’i Mania, nijery ny fivoaran’ireo mpisitraka amin’ny maha Tetikasan’ny Fitondrampanjakana ,izay arindran’ny Ministeran’ny Mponina, tanterahan’ny FID ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena
Hita taratra nandritra ity fitsidihana ity ny fivoaram-piainanan’ireo mpisitraka toy ny:
Fiakaran’ny tahan’ny fifidrana kilasin’ireo ankizy,
Fitomboana sy fahatsaran’ny seham-piharian’ireo tokantrano mpisitraka mpamboly sy mpiompy, fanatonana tombim-pahasalamana
Ministeran’ny Mponina Miahy hatrany ny maha Olona.