FIAHIANA SOSIALY HO AN’IREO OLONA MANANA FAHASEMBANANA TAO AMBOSITRA
02.04.2022
FIAHIANA SOSIALY HO AN’IREO OLONA MANANA FAHASEMBANANA TAO AMBOSITRA
Nitsidika ireo ivo toerana misahana ny zaza kamboty sy ireo olona manana fahasembanana tao Ambositra ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena RAZANAMAHASOA Christine sy ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Minisitera.
Nandritra izany no nanolorana fanampiana ara-tsakafo sy ara-pitaovana ho azy ireo ho fanohanana ny hezaka ataon’ireo Pretra sy Relijiozy mpitantana ireo ivo toerana.