FIAHIANA SOSIALY TETIK’ASA HARATON’AINA: VATSIN’ANKOHONANA DISTRIKAN’NY FARAFANGANA
Mitohy hatrany ny fitsinjarana andiany faha 12 (Douzième paiement) ny VATSIN’ANKOHONANA ato amin’ny Distrikan’ny Farafangana, izay tanterahina ao anatin’ny Kaominina miisa 20 ary ahitana mpisitraka miisa 12000.
✓ Nisantatra izany ny Alatsinainy faha 02 Octobre 2023 ny KAOMININA AMBONIVOHITRY FARAFANGANA izay nahitana mpisitraka miisa 2270 ao anatin’ny Fonkotany 24.
✓ Ny VATSIN’ANKOHONANA dia tetik’Asam-panjakana izay ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana Ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy no mandrindra sy miahy azy izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ary ny FID no manatanteraka ny asa.
#MPPSPF#FID#BM