FIARAHA-MIASA MISY EO AMIN NY MINISTERAN NY MPONINA SY NY FONDATION BOA
Ho fanampiana ny ezaka ataon’ny Fitondrampanjakana, araka ny fiaraha-miasa misy eo amin ny Ministeran ny Mponina sy Ny Fondation BOA, dia tonga nizara ny fanomezana avy tamin’ny Fondation BOA teto amin’ny Site Kaly Tsinjo Ambohitrakely; ny Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-Tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy Ramatoa MICHELLE Bavy Angelica izay niarahana tamin-dRamatoa Filohan’ny Fondation BOA sy Ramatoa Anyah Solombavambahoaka voafidy teto amin’ny Boriborintany Fahatelo Antananarivo.
Vehivavy miisa 6.000 manerana ny Site Kaly Tsinjo eto Antananarivo no hisitraka ny fanomezana avy amin’ny fondation BOA ho enti-manamarika ny fankalazana ny andro Iraisam-pirenenana ho an’ny Vehivavy 8 martsa 2021.