Fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny ONG O’SIF
Ny fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny ONG O’SIF no nahazoana ireo fanampiana fitaovana sy sakafo ho an’ireo olona mipetraka vonjimaika ao amin’ny ivo-toerana SEBA Isotry sahanin’ny minisitera. Famatsiana sakafo isam-bolana no azo tamin’izany. Natolotra anio ny vatsy mandritra n’y herinandro voalohany. Teo ihany koa ireo kojakoja fidiovana marobe entina misoroka ny loto sy valan’aretina eto amin’ny centre.
Tonga nanolotra ny fanampiana teto amin’ny centre SEBA Isotry ny Minisitry ny Mponina NAHARIMAMY Lucien Irmah. Nanatrika izao fanolorana izao ny tompon’andraiki