FIARAHA-MIENTANA HO AN’NY SOSIALIN’IREO TRABOINA
FIARAHA-MIENTANA HO AN’NY SOSIALIN’IREO TRABOINA
Mizotra sy milamina tsara ao anatin’ny filaminana tanteraka ny fikarakarana ny sakafo ho an’ireo mponina traboina napetraka any amin’ny toerana maro eto Antananarivo Renivohitra. Araka ny toromarika napetraky ny Filoha Andry RAJOELINA dia sakafo mafana sy ara-pahasalamana no tsy maintsy omena azy ireo ny maraina, ny atoandro ary ny hariva.
Mitarika ny mpiara-miasa midina eny ifotony ny Minisitry ny Mponina Ramatoa SOAFILIRA Princia mizara sakafo mafana ary ara- pahasalamana tanteraka.
Hisaorana manokana ireo mpiara-miombon’antoka rehetra nanolotra fanampiana ary manentana hatrany ireo malala-tanana mba hifanampy sy hifanohana ho an’ny sosialin’ireo traboina ireo.