FIAROVANA NY ANKIZY
21/07/23
IKONGO ATSIMO | CR TODINGA
FIAROVANA NY ANKIZY
HAVOTRA ILAY ZAZA VARIRA NISY NAKA AN-KERINY
Nisy ny halatra zaza varira tao Tsaramandroso CR Antodinga ny alin’ny Alarobia 19/07/2023 teo.
Tratehakin’ny zandary CP Ifaniria sy ireo fokonolona nanaradia anefa ireo olon-dratsy anio 21/07/23 tao Mamolofolo,CR Ankarimbelo.
Miisa 07 ireo mpanao ratsy ka ny 05 no tratra tamin’izany ary ny 02 kosa no nandositra, an’isany niray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy sy voasambotra ireo ny anadahin-drenin’ilay Zaza Varira ,ary ny zokin-dreniny.
Nisy ary ny fandraisana an-tanana nataon’ny Fitaleavam-paritrin’ny Mponina Fitovinany tamin’ny halalan’ny mpisehatra sosialy any an-toerana, nanarina ara-moraly ilay Zaza sy nanome sakafo sy fitafiana ary lamba firakotra azy.
Tsy maintsy atao ihany koa ny hifanomezan-tanana ny amin’ny famindrana azy amin’ny toerana azo antoka