
Fivoriana izay tena zavadehibe tokoa satria nahafahana nitondràna fanazavana sy sosokevitra ho an’ny Mponina eny ifotony manoloana ny zavatra mety hiseho ao aloha, mandritra ary aorian’ny vanim-potoanan’ny Rotsak’orana sy ny Rivo-doza eto Madagasikara. Teo koa ny fanamafisana ny fiarahamiasa amin’ireo tomponandraikitra samihafa avy any ifotony mandritra izao taom-pahavaratra izao.