FIDINANA IFOTONY IKONGO ADY AMIN’NY FANARARAOTANA SY FANARANANA ARA-NOFO
Nisy ny fitetezana ireo fokontany 7 tato anatin’ny Kaominina Ikongo , izay notanterahan’ny Fitaleavam-paritrin’ny Mponina Fitovinany sy ny mpiara-miombonantoka UNFPA Fitovinany.
Ireo fokontany :
Sahavondrony,Satrana, Antekoho, Ambalagoavy,Vonikazo, Ambatoharanana Mangarivotra.
Mponina lahy sy vavy miisa 745.
Ny tanjona dia ny hisitrahan’ireo Mponina ny tohana tsy misy fanararaotana ara-nofo ( exploitation sexuelle) sy fanaranana ara-nofo ( abus sexuelle) momba ny fanampiana tokony hisitrahany na inona io na inona.
Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ireo solo-tenam-panjakana ifotony sy ireo mpiara-miombonantoka mpisehatra aty ifotony.
-Nampahafantarina sy nandrindrana ny tokony hifankafantarana ny zavatra atao hisorohana ny herisetra ary nanangana ny tambazotra miaro ny herisetra amin’ny mahaolona aty amin’ny Distrikan’ny Ikongo sy ny hametrahana ireo ยซย tasque forceย ยป hisahana ny ยซย boรฎte ร plainte ย ยป hataon’ireo mpisitraka.
Nisy arak’izany ny fanolorana kit de dignitรฉ hoan’ny vehivavy izay niharan’ny herisetra.
Ny ady amin’ny herisetra amin’ny mahalahy sy mahavavy dia vina apetrakin’ny fitondram-panjakana tanterahan’ny Ministeran’ny Mponina ho fiahiana ny maha olona, hisian’ny fampandrosoana lovain-jafy.