Fidinanan ifotony Distrika Amboasary Sud
MINISITERAN’NY MPONINA ETO AMIN’NY FARITRA ANOSY
»Misy ny fohy ezaka ary misy ihany koa ny lavitr’ezaka amin’ny famahana ny olana manoloana ny kere aty atsimon’ny Nosy ».
Ao anatin’ny asa mifanandrify amin’izany famahana ny olana manoloana ny kere izany ny fitondram-panjakana Malagasy izay tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ankehitriny.
Fiatrehana izany ezaka izany dia mitondra fanampiana sakafo any amin’ny Faritra Anosy ny Minisitera’ny Mponina. Nidina ifotony avy hatrany nitarika ny Minisitra MICHELLE Bavy Angelica. Distrika Amboasary Sud ahitana kaominina telo; Ebelo (fokontany Analamalinika), Ifotaka(fokontany Ankilimahavotse), Behara (fokontany Befeitse) no nisitraka ka fanampiana sakafo ahitana pâtes, purée de Pomme de terre, sardines isa-tokatrano no natolotra.
»Fitia mifamaly mahatsara fihavanana. »