FIFAMPIZANA MAHAKASIKA NY RAFI-PIARAHAMONINA KIANJAMAITSO
Ny KIANJAMAITSO dia sehatra ifampiresahana, ifampierana ho amin’ny asa eny ifotony hametrahana fiaraha-monina mirindra.
Tonga teto anivon’ny Minisiteran’ny Mponina ireo mpikambana avy ao amin’ny CFM mba ampahafantatra ny soatoavina Rafi-piarahamonina Kianjamaitso.
Ny Kianjamaitso dia :
– TOERANA malalaka ifampitazanan’ny rehetra, hanomezana lanja ny fikojana sy fikoloana ny tontolo iainana. Toerana manan-kasina hilazana ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny ;
– SOATOAVINA malagasy manome lanja ny fifanakalozan-kevitra, fifampierana, fifanentanana, fifanakalozam-baovao, fifampizarana traik’efa, fifampitaizana, fialam-boly. Tsy azo iresahana zavatra mety hanohitohina ny Fihavanana ;
– RAFITRA : mpiara-monika mifanila vodirindrina ahitana tokatrano 15-25 no mamorona ny kianja iray ka samy manana komity kianja izay ahitana olona miisa 3 : RAIMANANDRENY to-teny mpitarika sy mpananatra, RENIM-PIANAKAVIANA mpikolokolo ny kianja, mampilalao sy mitaiza ny ankizy, TANORA iray izay mbola matanjaka miandraikitra ny fampitan-kafatra sy fiantsoana fivoriana.
Tanjon’ny CFM ny hamerana ny Kianjamaitso manerana ny Nosy ka anisany dingana nosafidin’izy ireo ny fifampiresahana amin’ireo tomponandraikitra eto amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny FID izay miantsehatra mivantana eny anivon’ny mponina eto Madagasikara.
Nisolo tena ny Minisitra SOAFILIRA Princia ka nitarika ny fotoana ny Sekretera Jeneraly RAKOTONIRINA Patricia.