FIFANAKALOZANA TRAIKEFA MAHAKASIKA NY REGISTRE SOCIALE UNIQUE TAO DJIBOUTI
15.03.2023 – 21.03.2023
Fizarana sy fanehoana ny fomba fanaraha-maso ny fisitrahan’ireo tokantrano marefo ao Djibouti no anton-dian’ireo delegasiona malagasy tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny avy ao amin’ny firenena kaomorianina tany Djibouti.
Nandritra izany no nihaonana sy nifanakalozana hevitra tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy fikambanana misehatra amin’ny fikirakirana ny fiahiana ara-tsosialy.
Manana anjara lehibe anatin’izany sy misitraka ny tetikasa fiahiana ara-tsosialy ny vehivavy sy ireo olona manana fahasembanana ary misy ireo fikambanana lehibe miahy azy ireo. Anisan’ny nisongadina ny fampiasan’izy ireo ny « logiciel » izay hanamorana ny fandrindrana ny « base de données » sy ny fanaraha-maso amin’ny ny fisitrahan’ireo mponina marefo ny fiahiana ara-tsosialy.
Nitsidika ireo tokantrano izay misitraka ny fiahiana ara-tsosialy ireo ihany koa ny delegasiona ka nandritra izany no nahatsapana fa efa tena mandroso sy mirindra ny fisitrahan’ireo mponina marefo ao Djibouti ny fiahiana ara-tsosialy.
Afaka hanovozana traikefa hoentina manatsara ny fisitrahan’ny vahoaka Malagasy ny tetikasa haraton’aina indrindra ny lafiny teknika amin’ny fitantanana ny “Registre Sociale Unique” izany fifanakalozana izany.