FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA EO AMIN’NY MINISITERAN’NY MPONINA SY NY ONG PIVOT
29.11.2022
Notanterahina tao amin’ny biraon’ny ONG Pivot ao amin’ny kaominina Ranomafana, distrikan’Ifanadina ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny ONG Pivot.
Miompana be be kokoa amin’ny fiahiana ara-tsosialy ny fiaraha-miasa izay ho atao mandritra ny telo taona.
Tanjona ny hahafantaran’ireo mpiantsehatra rehetra ny toro-lalana mahakasika ny ady atao amin’ny herisetra.
Nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia tamin’ny fanaovan-tsonia ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisitera RAKOTONIRINA Miarisoa Patricia.