FIFANATREHANA TEO AMIN’NY MPIKAMBANA AMIN’NY GOVERNEMANTA SY IREO LOHOLONA
Niatrika ireo Loholona tao amin’ny Antenimieran-doholona Anosy ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta notarihin’ny Praiminisitra NTSAY Christian.
Manoloana ireo karazana herisetra mitranga eny amin’ny fiaraha-monina dia nanamafy hatrany ny Minisitra SOAFILIRA Princia fa melohany ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy amin’ny endriny rehetra ka nanentana hatrany ny mponina izy ho sahy hitoroka raha mahitra herisetra mitranga eny anivon’ny fiaraha-monina.