FIFIDIANANA MISS ANALAMANGA NANOTRONA AZY IREO NY MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA
Notanterahina tao amin’ny CCI Ivato ny fifidianana izay ho Miss Analamanga ny 23 desambra 2022. Izay lany tamin’izany no hifaninana hiady ny Miss Madagasikara.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia izay nanaiky ho reny mpiahy ireo Miss Analamanga ireo ary niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny Minisiteran’ny Mponina.