FIHAONANA HO FANAMAFISANA NY FIAHIANA ARA-TSOSIALIN’NY ANKIZY SY IREO OLONA MANANA FAHASEMBANANA
Nitafatafa tamin’ireo Masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara sy ireo mpiantsehatra amin’ny Fiahiana ara-tsosialy ho an’ny ankizy ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia notronon’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny RANDRIAMANDRATO Richard.
Nanamafy ireo Minisitra iraky ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA fa laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ny fiahiana ireo ankizy izay hoavin’ny firenena.
Fotoana iray ihany koa nahafahana nanao ny haitaky entina mampitombo sy manamari-pototra ny fiahiana ny sosialin’ny ankizy eto Madagasikara ity androany ity.
Anatin’izany ny Tetikasa Zara Mira izay efa anatin’ny fanatanterahana ankehitriny. Tokatrano miisa 1643 ao amin’ny kaomina Tataho (Manakara) sy 7000 ao Ifotaka (Amboasary) no misitraka izany amin’izao fanombohany izao.