FIHAONANA TEO AMIN’IREO TOMPONANDRAIKITRA AO AMIN’NY BANKY IRAISAM-PIRENENA SY NY MINISITERAN’NY MPONINA
Fotoana nanaovana jery todika ho entina manatsara sy manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny firenena Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Mponina.
Nitarika ny fotoana ny Minisitra SOAFILIRA Princia ka resy lahatra ny roa tonta ho fanamafisana ny Fiahiana ara-tsosialy amin’ny alalan’ny tetikasa HARATONAINA izay arindran’ny Minisiteran’ny Mponina, tanterahin’ny FID eny ifotony ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola.