FIKAONAN-DOHA MAHAKASIKA NY FIRAFITRY NY MPONINA ETO MADAGASIKARA
Tanjon’ity fihaonam-be ity ny fampahafantarana ireo tompon’andraikim-panjakana fa isan’ny fototra hiaingana mankany amin’ny fampandrosoana ny fanatsarana ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarenan’ny mponina ao amin’ny firenena iray.
Isan’ireo Minisitera fototra mandray andraikitra sy manana anjara amin’izany ny Minisiteran’ny Mponina izay tarihin’ny Minisitra SOAFILIRA Princia.
Niara nanaiky sy nanao fanambarana ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay tarihin’ny Praiminisitra NTSAY Christian fa hanao ezaka hampitombona ny salan-taona afaka mamokatra amin’ny alalan’ny fandrindrana ny fiterahana sy ny fiainam-pianakaviana, ny fanatsarana ny fanabeazana, ny fanatsarana ny amin’ny lafiny arak’asa ary ny fahaizana mitantana. Izany no atao hahatanteraka ireo velirano sy ny vinan’i Filoha hajaina Andry RAJOELINA izay hametraka an’i Madagasikara ho firenena sangany amin’ny fandrosoana eto Afrika.