FITALEVAM-PARITRY NY MINISITERAN’NY MPONINA FARITRA SAVA
25.01.2023
Rehefa vita ny fitsirihana ireo voina sy takaitra navelan’ny rivodoza cheneso tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Farahalana, Sambava andro vitsivitsy lasa izay dia niverina tany an-toerana ireo tomponandraikitra nanolotra fanampiana ho an’ireo olona traboina.
Vary, bodofotsy, lay misy odimoka no natolotra ireo tokatrano tena marefo ara-pivelomana.
Nitarika ireo solon-tenam-panjakana ny ny VPAN Jocelyne Maxime sy ny Préfet an’i Sambava.
Nisolo tena ny Minisitry ny Mponina nanditra izany ny Talem-paritry ny Minisiteran’ny Mponina ao SAVA.
Ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia dia manamafy mandrakariva fa miray fo tanteraka amin’ireo traboina amin’izao fotoan-tsarotra izao.