FITERAHANA MIRINDRA, FIANAKAVIANA SAMBATRA, FIRENENA MANDROSO | HIATRIKA ASA AVY HATRANY IREO MPIZAIKA HO AN’NY FARITRA MISY AZY
FITERAHANA MIRINDRA, FIANAKAVIANA SAMBATRA, FIRENENA MANDROSO |
HIATRIKA ASA AVY HATRANY IREO MPIZAIKA HO AN’NY FARITRA MISY AZY
Vonona tanteraka ireo solontena isam-paritra 23 izay niatrika ny fiofanana mahakasika ny fandrindram-piterahana. Nifarana ny 17 novambra 2021 ny fiofanana ka nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOFILIRA Princia tamin’izany ny Sekretera Jeneraly Miarisoa Patricia RAKOTONIRINA.
Adidy lehibe miandry azy ireo ny fanentanana mahakasika ny fandrindram-pahaterahana sy fampiofanana ireo fikambanana any amin’ny Faritra.
Nisy fizarana marim-pahaizana ho an’ ireo mpizaika rehetra nandritra ny lanonam-pamaranana.