FITETEZANA NY FARITRA ATSIMO ATAON’NY MINISITRA MICHELLE BAVY ANGELICA SY IREO MPIARA MIASA AMINY
Mitohy ny fitetezana ny faritra Atsimo izay ataon’ny Minisitra Michelle Bavy Angelica sy ireo mpiara miasa aminy ka tao amin’ny renivohitry ny District Betioky no nanolorany vary sy voa maina ary menaka ho an’ireo mponina ao an-toerana.
Notolorana akanjo vaovao sy milina fanjairana ireo fikambanam-behivavy ary nampiana lelavola izay entin’izy ireo mividy ny kojakoja anombohan’izy ireo ny asa mampidi-bola.
Nitsidika ny toeram-piasan’ny Minisiteran’ny Mponina ao an-toerana ihany koa izy ireo.