Fitohizan’ny fiaraha-miasa teo amin’ny ONG O’SIF sy ny Ministeran’ny Mponina
Nitohy ny fiaraha-miasa teo amin’ny ONG O’SIF sy ny Minisiteran’ny Mponina tamin’ny fanolorana nofokena mitam–pihavanana isan-tokatrano ny fianakaviana sahirana. Fianakaviana miisa 35 avy eto Ambohipo sy 119 avy eto amin’ny fokontany Ankazomanga Atsimo, Andravoahangy ary Antohomadinika III G Hangar no notolorana izany hena manodidina ny 30kg avy isa-tokatrano. Tohin’ny hetsika fizarana ny 15 aogositra 2020 teo ity anio ity.