FITSABOANA MITETY VOHITRA SAROBIDY NY AIKO NANATRIKA IZANY NY FILOHAMPIRENENA
05.03.2023
FITSABOANA MITETY VOHITRA
SAROBIDY NY AIKO
NANATRIKA IZANY NY FILOHAMPIRENENA
Nidina nijery ifotony ny fizotry ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana teo amin’ny Coliseum Atsonjombe ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA mivady sy ireo delegasiona niaraka taminy izay nahitana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Fampianarana teknika sy fampiofanana araka’asa ary ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.
Tonga nanotrona azy ireo tamin’izany ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa.
Ankoatry ny tolotra ara-pahasalamana maro nositrahan’ireo vahoaka dia nisy ny fanentanana isan-karazany fa indrindra ny mahakasika ny ady atao amin’ny herisetra sy ny fandrindram-piterahana.
Tonga maro be ireo mponina manodidina ka samy nahazo ny anjara fitsaboana avokoa. Mitohy hatramin’ny faha 8 martsa izao ity fitsaboana mitety vohitra ity eto Antananarivo.