Fitsidihana ara-pomba fanajana avy ny Ambasadoron’ny Suisse eto Madagasikara tao amin’ny Minisiteran’ny Mponina
Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Minisiteran’ny Mponina ny Ambasadoron’ny Suisse eto Madagasikara. Ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica sy ireo mpiara-miasa aminy no nandray azy.
Nandritra io fihaonana io no nanamafisan’ny Ambasadoron’ny Suisse fa vonona ny firenena Suisse iara iasa amin’ny Minisiteran’ny Mponina. Nampahafantariny ihany koa fa ny firenena Suisse dia efa manakaiky ny mponina any Atsimo amin’ny alalan’ny fanampiana ara-bola ny PAM sy amin’ny sehatry ny rano.