Fitsidihana ny Distrikan’Andilamena mandritra ny Telo andro
Manatanteraka fitsidihana ny Distrikan’Andilamena mandritra ny Telo andro ny Talem-paritry ny Mponina sy ny Mpiaramiasa ho amin’ny fantrarana ny velirano faha – 08. Ao anatin’izany ny fanentanana momba ny ยซย fandrindram-piainampianakavianaย ยป ho an’ireo Vehivavy sy Fikambanam-behivavy ary viavy Miavotsa aty an-toerana. Izao no hatao dia mba hisitrahan’izy ireo ny fiainana mirindra sy fianakaviana sambatra eny anivon’ny ankohonan’izy ireo.
Izao no tanteraka dia nohon’ny fiarahamiasa amin’ny mpiara-miombon’antoka samihafa sy ny Maristopes – Madagasikara.
Maro ny fandaharam-potoana ka tonga nanokatra izany ny Assistant Parlementaire, ny Sefo Distrika Andilamena, ny Ben’ny Tanร na. Miaradalana aty an-toerana ihany koa moa ny Talem-paritry ny Fampianarana ara-teknika sy fanofanana arak’asa ary ny Talem-paritry ny Fizahantany Alaotra Mangoro.