FITSIDIHANA NY FARITRA ATSINANANA
FITSIDIHANA NY FARITRA ATSINANANA
Namita hiraka nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia tao amin’ny Faritra Atsinanana ny Talen’ny Kabinetra RAMANANIRINA Yan Wilfried.
Nandritra izany no nitsidihan’izy ireo ny « village modèle santé » ao Analamalotra ka tokantrano miisa 816 no nisitraka ny fitaovam-pivoahana manara-penitra, ny fanasianana rano fisotro sy ny famanana rano mandeha amin’ny herin’ny masoandro.
Nijery ihany koa ny fikambanam-behivavy « Self help Group » sy ny Ivotoerana fandraisana vonjimaika ireo fianakaviana ao Tanamakoa.
Tsy diso anjara ny EPP manarapenitra ao Analakininina ka ankizy miisa 50 no niantohana saram-pianarana sy nisitraka fitaovam-pianarana.
Notanterahina ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisitera sy ny CRFM ary ny fitsidihana ny tetik’asa « La fabrique » izay ho entina hanampiana ireo tanora mpandraharaha.