FITSIDIHANA TAO ANKOFABE SY ANTSIRABE SAHATANY
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Eloïse dia tonga tao amin’ny kaominina Ankofabe sy Antsirabe Sahatany ny Minisitry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, MICHELLE Bavy Angelica nanatitra ireo fitaovana avy amin’ny Fitondram-panjakana izay ahitana fanitso sy simenitra. Hafaliana no nandraisan’ireo vahoaka ny Minisitra, satria misy mahatsiaro na any amin’ny kominina lavitra aza.