Fitsidihan’ny solontenan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana miahy ny mponina
Fitsidihana ara-pomba fifanajana nitohy tamin’ny dinikasa fanohizana ny ezaka vita teo aloha no nanamarika ny fihaonan’ny Minisitry ny mponina ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy ary ny sampandraharahan’ny firenena mikambana miahy ny mponina (UNFPA na FNUAP) androany 16 novembre 2020 tao amin’ny toeram-piasana tao Ambohijatovo Antananarivo. Nifantoka tamin’ny famaritana ireo asa maika hotanterahina mialoha ny faran’ny taona izany. Hanofana ireo mpikatroka amin’ny fanohanana ara-tsosialy (intervenants sociaux) ny ministera miaraka amin’ny UNFPA ka hanenika faritra maromaro eto Madagasikara izany. Hojerena manokana ireo faritra tena marefo sy mila fanampiana maika toy ny any atsimo. Hotanterahina tsy ho ela ny fanombohana ireo hetsika lehibe mikasika ny fiahiana ny vehivavy.
Une séance de travail a marqué la rencontre de Madame la Ministre de la Population et la Représentante du Fond des Nations Unis pour la Population (UNFPA). L’ordre du jour s’est concentré sur la définition et l’élaboration des actions priorités et urgents à réaliser avant la fin de cette année, la formation d’intervenants Sociaux assurée par le Ministère et l’UNFPA qui va couvrir toutes les Régions de Madagascar. Les Régions très vulnérables comme le Sud de Madagascar seront privilégié en termes d’aides et d’action sociale. Des grandes actions sur la Protection de la femme seront lancées très prochainement.
« Fitia mifamaly mahatsara fihavanana ».