FIVORIAM-BE HO AN’IREO VONDRONA MIANTSEHATRA AMIN’NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY
13.10.2022
Tanteraka ny atrik’asa fifanakalozan-kevitra, fifampizarana ary fandrindrana ny asa mahakasika ny fiahiana ara-tsosialy ny fivondronan’ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara androany.
Tanjona ny hanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo rafitra rehetra miandraikitra ny fiahiana ara-tsosialy sy hamahana ny olana eny ifotony ho an’ny sosialin’ny mponina toy ny fametrahana ny boky miraikitra ny lisitr’ireo mpisitraka.
Nitarika ny fotoana ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana ara-tsosialy eto anivon’ny Minisiteran’ny Mponina RIVOMANANA Tsarahita Ghisbert izay nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.