FIVORIANA HIOMANANA AMIN’NY FIAVIAN’NY RIVO-DOZA FREDDY
20.02.2023
FIVORIANA HIOMANANA AMIN’NY FIAVIAN’NY RIVO-DOZA FREDDY
Nanatanteraka fivoriana ho fiomanana sy fandaminana ny hiatrehana ny rivo-doza Freddy ireo mpisehatra rehetra amin’ny vonjy voina niaraka tamin’ireo mpiara-miobon’antoka sy ireo manam-pahefana ao amin’ny faritra Fitovinany.
Fivoriana notarihin’ny Prefet an’i Manakara izay nandraisan’ny Fitaleavam-paritry ny Mponina Fitovinany anjara. Efa voahomana avokoa ireo toerana handraisana ireo mponina mety ho traboina mandritry ny fandalovan’ity rivo-doza ity.
Mitohy hatrany ny fanentanana ireo mponina ny amin’ny fanajana sy fanarahana antsakany sy andavany ireo toromarika rehetra amin’ny fiatrehana ny fiavian’ ny rivo-doza.
IZAY TSARA FIOMANANA TSY HO TAMPOHIN’NY LOZA