FIVORIAN’NY VAOMIERA MOMBAN’NY SATAN’NY VEHIVAVY ANY NEW YORK
13.03.2023 – 17.03.2023
Anisany firenena mandray anjara amin’ny fivorian’ny vaomiera momba ny satan’ny vehivavy (CSW) izay tontosaina any amin’ny foiben’ny Vondrona iraisam-pirenena any New York ireo solontena avy aty Madagasikara.
Miompana amin’ny fahafahana mitondra ny miralenta sy fampizakan-tenan’ny ankizivavy sy ny vehivavy amin’ny alalan’ny fahaiza-manao amin’ny hay tao ara-kajy mirindra ity fihaonam-be ity. Misy ihany koa hifanakalozana traikefa hijerena ny fandrosoan’ireo firenena manohana ny zon’ny vehivavy ary hanitarana ireo fiaraha-miasa mba hampitomboana ny ezaka hanatratrarana ny tanjona ahatonga ny vehivavy ho mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana.
Misolo tena ny Minisitry ny Mponina, SOAFILIRA Princia any New York ny Tale jeneralin’ny Fampivoarana ny Vehivavy RABETALIANA Rova sy ny Talen’ny Fampivoarana ny vehivavy sy ny miralenta HAVANIRINA Jolcette.