FIZAMAMI – MPPSPF
Tonga nitsidika ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia tao amin’ny biraony Ambohijatovo ireo solontenan’ny terak’i Mahajanga, notarihin’Andriamatoa Samy HARISON izay filoha mpitarika ny fikambanana FIZAMAMI(FIkambanan’ny ZAnak’i MAhajanga MIray) .
Nitondra ny firariantsoa ho an’ dRamatoa Minisitra izy ireo hahefa be amin’ny adidy izay hiandraiketany ary nilaza izy ireo fa vonona ny hifanome tanana sy hifanampy aminy ho amin’ny fampandrosoana ny firenena.