Fizarana « Kaly Tsinjo » Distrika Amboasary Sud
Fokontany 34 ao amin’ny kaominina Amboasary, Distrika Amboasary Sud, no voateti-dRamatoa Ministry ny Mponina MICHELLE Bavy Angelica nanomboka ny Talata 3 Novambra 2020 teo.
Fizarana « KALY TSINJO », akanjo fitafy isa-tokatrano tena sahirana sy marefo no notanterahina tamin’izany.
Nahatratra 1117 fianakaviana sahirana avy amin’ny Kaominina Ambanivohitra Imongy sy Ankilivalo , Kaominina Ambanivohitra Marovato, Kaominina Ambanivohitra Anjampaly. no nisitraka ireo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Andry RAJOELINA ireo. Ny « Kaly tsinjo » nozaraina dia nahitana vary 10kg sy tsiasisa 3kg isa-tokatrano. Nandritra izao fidinana ifotony izao dia nahatratra 15 t ny vary, 4,2 tonnes ny tsiasisa, 3041 akanjo no voatsinjara tany an-toerana. Ramatoa Minisitra dia mankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka (Direct’Aid) ary manao antso avo amin’ny malalatanana rehetra manoloana izao kere any atsimo izao.