Fizarana « kits de dignité » teto amin’ny Minisiteran’ny Mponina
Nanao fizarana « kits de dignité » teto amin’ny Minisiteran’ny Mponina Ramatoa Minisitra anio alakamisy 2 jolay 2020. Vehivavy bevohoka sahirana, vehivavy nisara-bady sy nilaozam-bady, vehivavy niharan’ny fanolanana no nisitraka izany. Savony, lambahoany, serviette hygiénique lavable, serviette de bain, atin’akanjo, zinga, koveta, sceau, fihogo, sotro, lovia, borosy nify, dentifrice, kitapo, lamba firakotra, lamban-jaza ary trousseaux bébé no natolotra tamin’izany.
Nandritra izany no nanentanany ny olona mba hijoro sy ho sahy hiantso ny laharana maitso 813 manoloana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy na ao an-tokantrano na eny anivon’ny fiaraha-monina.
Ny Minisiteran’ny Mponina dia misokatra ho an’ny rehetra.