Fonenana Imerintsiatosika sy Kaomininina Morarano Distrika ARIVONIMAMO FIAHIANA ARA-TSOSIALY TAMIN’NY ALALAN’NY FAMPIOFANANA MAIMAIMPOANA MANANTONA VAHOAKA ENY IFOTONY
Olona avy amin’ny tokantrano miisa 248 no nahazo fiofanana momba ny fiompiana kisoa, nokarakarain’ny Fitaleavam-paritry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy ITASY ho fanatsarana ny fari-piainan’izy ireo.
Ankasitrahana feno ny Talem-paritra sy ny Mampiofana avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana araka Asa Itasy tamin’ny fiaraha-miasa nahavitana ny hetsika.
Tsy nihambahamba ireo mpiofana nametraka izay fanontaniana nanitikitika azy ireo ary nisaotra sy naneho ny mbola hetahetany.
« FARITRA ITASY, VONONA KA TSY MAINTSY MANDROSO »
Toutes les réactions :
Rakotoarison et 15 autres personnes