HAIN-TRANO TAO MANAKARA
Nitrangana haitrano tao amin’ny Fokontany Antanantanana, Kaominina Ambalavero, Distrika Manakara, Faritra Vatovavy Fitovinany. Maro ireo traboina vokatr’izany.
Nidina ifotony avy hatrany ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina izay notarihin’Andriamatoa Tale Kabinetra sy ireo mpiara-miasa aminy nitondra fanampiana ho an’ireo mponina ireo, notronin’ireo olo-manan-kaja maro eny an-toerana. Notoloran’ny Minisiteran’ny Mponina vary, voamaina, menaka, sira, siramamy, akanjo, lamba firakotra, seau, koveta ary arovava orona izy ireo. Nanolotra vary ihany koa n’y Fondation Akbaraly.