HAITRANO TEO MANARITSOA ATSINANANA.
HAITRANO TEO MANARITSOA ATSINANANA.
Mijery ireo niharam-boina ny fitondram-panjakana.
Olona 2 naratra, 700 olona avy amin’ny fianakaviana 145 no traboina vokatry ny haitrano teto amin’ny fokontany Manaritsoa Atsinanana, ao anatin’ny boriboritany voalohany ny sabotsy 24 oktobra 2020.
Nisolotena ny fitondram-panjakana nijery sy nanao tombana ny voina ny Minisitry ny Mponina MICHELLE Bavy Angelica. Ny alina io ihany dia nanolotra ireo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Couvertures (CUA), fanampi-tsakafo toy ny paty, menaka, sardine, vary, voamaina, miampy savony sy seau (BNGRC), lamba fitafy. Nandray an-tanana ny fikarakarana ireo traboina teny an-toerana ny Minisiteran’ny Mponina, BNGRC, Kaominina Antananarivo Renivohitra, Croix Rouge Malagasy, ny Lehiben’ny Distrika sy ny Solombavambahoaka avy amin’ny Boriboritany voalohany,