HAMAFISINA NY FIAHIANA IREO VEHIVAVY MAREFO
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny tetik’asa hahafahan’ireo vehivavy na zatovovavy izay tena marefo hiditra amin’ny sehatry ny asa mahakasika ny fahasalamana, ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ary ny ady atao amin’ny herisetra.
Faritra telo no hisitraka izany dia Atsimo Andrefana, Anosy ary Androy.
Tanjona ny hamongorana ny fahantrana amin’ny endriny rehetra, ny fahasalamana feno, ny fanafoanana ny fanavakavahana eo amin’ny vehivavy sy ny zatovovavy, ny fampihenana ny tsy fitoviana ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa.
Fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Mponina izay tarihin’ny Minisitra SOAFILIRA Princia, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Masoivoho Japoney ary ny UNFPA no nahafahana nanatanteraka izany.