HARATON’AINA AN-TANANDEHIBE | TOKATRANO MIISA 30 000 NO ISITRAKA IZANY
HARATON’AINA AN-TANANDEHIBE | TOKATRANO MIISA 30 000 NO ISITRAKA IZANY
Manomboka ny fiandohan’ny taona 2022 dia tokatrano miisa 30 000 ao Antananarivo sy Fianarantsoa ary Toamasina no isitraka ny tosika avy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny tetik’asa Haraton’Aina an-tanan-dehibe. Tantsoroka ara-tsosialy amin’ny alalan’ny fanomezana lelavola, Asa takalo vola ary fampiofanana no raisin’ireo tokatrano voasafidy mandritry ny 3 taona.
Ny Minisiteran’ny Mponina no andrindra ny tetik’asa, ny Banky iraisam-pirenena no mamatsy vola ary ny FID no anatanteraka ny fitsinjarana.
Ho fanomanana izany dia nisy ny fikaonan-doha teo amin’ireo tompon’andraikitra izay notronin’ny Sefo Fokotany sy ireo Solombavambahoaka voakasik’izany ho an’Antananarivo renivohitra.
Tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny Fiahiana Sosialy ka anisan’ny paikadin’ny Minisiteran’ny Mponina ny fanomanana izany mba itondra vahaolana maharitra.