HATRIKASA FIFANAKALOZAN-KEVITRA MAHAKASIKA NY TETIKASA HARATON’AINA COMORES sy MADAGASIKARA
28.07.2022-01.08.2022
Manatanteraka fikaonan-doha ao amin’ny nosy Comores ny delegasiona Malagasy mpandrindra ny tetikasa Haraton’aina sy ny FID izay mpanatanteraka eny ifotony ary ny Banky iraisam-pirenena izay mpamatsy ara-bola.
Tanjona ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo tomponandraikitra misahana ny tetikasa Haraton’aina eto Madagasikara sy ao Comores ka hitondra ho amin’ny fahombiazana sy ny fanatsarana ny fanatanterahana an’ity tetikasa ity eo amin’ny firenena roa tonta.
Eo ihany koa ny fanomanan’ny fitondram-panjakana Malagasy ny fanaovazana ny Paik’ady Nasionaly ho any Fiahiana ara-tSosialy ho any 05 taona manaraka amin’ny alalan’ny Ministera Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy.
Mitarika ny delegasiona Malagasy ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Mponina RAKOTONIRINA Patricia izay misolo tena ny Minisitra SOAFILIRA Princia.
Maharitra 04 andro ny fikaonan-doha ka tafiditra ao anatin’ny teti-andro ny fitsidihana ireo mpisitraka ny tetikasa Haraton’aina ao Comores.
#MPPSPF #Ministère de la Santé, de la Solidarité, de la Protection Sociale et de la Promotion du Genre Comores #FID #BanqueMondiale #FSS